Manao ranolava ny fahatrarana vary simba. Tamin’ity indray mitoraka ity, manodidina ny 60 taonina ny vary simba tra-tehaky ny biraon’ny talem-paritry ny Varotra sy ny fanjifana (DRCC) Atsimo Andrefana. Nentina kamiao miisa roa niainga avy any Toamasina ireo vokatra ary tonga tao Toliara, ny alin’ny sabotsy 28 febroary teo. Tsy nisy anefa ny fahazoan-dalana hitondra izany avy amin’ny DRCC Atsinanana, izay tokony ho arahin’izay rehetra mitatitra vary toy izao, raha ny fampitam-baovao navoakan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. Vokany, nidina tany an-toerana nijery ny zava-misy avy hatrany ny tomponandraikitra. Tsikaritra, taorian’izay, fa efa nisokatra avokoa ireo gony ary efa nisaraka ny vary tsara sy ratsy.
Hentitra
Nandraisana fepetra ka nogiazana avy hatrany ireo entana. Tsy handefitra amin’ny tranga tsy fanarahan-dalàna izay mety hiteraka voka-dratsy amin’ny mpanjifa ihany koa ny minisitera noho izy tsy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana sy ny fitaterana. Tsiahivina fa vao tsy ela no nahatrarana vary simba milanja 96 t tao Ambatolampy.
Nilaza ny minisitera fa maro ireo toeram-pitobian’entana no simba taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tao amin’ny faritra Atsinanana.
Henintsoa




