Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray nitondra moto taorian’ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tao amin’ny fokontany Tsarazaza, kaominina Itaosy, distrika Atsimondrano, ny alahady 1 marsa teo. Nandeha mafy io mpitondra moto io. Nifanoha-dalana taminy ny Bajaj mpitatitr’olona avy any Andrakaivo hihazo an’i Behenjy. Tsy voafehin’ilay mpitondra moto tampoka ny familiana. Nifatratra tamin’ilay Bajaj ny moto nentiny. Naratra mafy ny mpamily io moto io sy ny olona iray hafa niaraka taminy. Nifamonjena nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana ilay nitondra moto saingy tsy tana ny ainy. Nandositra nandritra ny savorovoro ilay lehilahy iray faharoa nitaingina taorian’ny moto. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy. Voamarina fa naharenesana fofona zava-pisotro mahamamo ireo olona nitaingina moto. Ahina ho nitarika ny lozam-pifamoivoizana ka nahafaty ny iray tamin’izy ireo izany.
Tsiferana R.




