Nihidy avy anatiny ny trano: Sinoa roa kilan’ny afo tetsy Ankadikely

Sinoa miisa roa, tompona orinasa, niara-namoy ny ainy tao amin’ny fokontany Man­jaka, kaominina Ankadikely, distrika Avaradrano, ny 2 marsa teo. Nitrangana firehetana tao amin’ny faritr’io orinasa io, ny harivan’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny 6 ora sy 5 minitra hariva. Niantso ny sampana mpamonjy voina ny nanatri-maso. Nigadona teny an-toerana ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina avy ao Analamahitsy, 20 minitra taorian’ny tranga, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenana. Nanomboka namono ny afo izy ireo. Nanano­sarotra ny famonoana ny afo ary fiara iray an’ireo sinoa sy entana maro samihafa toy ny kappa no hotohoton’ny afo nandritra izany. Naharitra adiny telo ny fifehezana ny afo. Olona iray no hita voalohany saingy efa maty tao amin’ny faritra nisian’ny firehetana ny alin’io. “Tsy fisian’ny fivoahana raha toa ka sanatria misy loza tampoka no nitarika ny fahafatesan’io olona io”, hoy ny fanazavana voaray. Sinoa tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa lasibatra io kilan’ny afo io. Ankoatra azy, sinoa iray koa namoy ny ainy nandritra ny voina nitranga. “Nidin’ireo teratany sinoa ireo avy any anatiny ny trano ka tsy voasokatr’ireo olona nikasa hanavotra azy nandritra ny voina”, hoy ny fanazavan’ilay mpiambina tao amin’ny faritra lasibatra. Nanao izay ho afany ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina sy ireo tomponandraikitra niampy ny fokonolona tao amin’ny kaominina Ankadikely nifehezana ny afo.

Tsiferana R.

Partager sur: