Nidina ifotony tany Toliara ny Fitantanana miady amin’ny kolikoly (Dulc) eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD), taorian’ny angom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo. Nohamarinina ny vaovao, milaza fa misy ny fitrandrahana sokatra antsokosoko. Noraisina ny fepetra mifandraika amin’izany, niaraka tamin’ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena (UIR) Toliara, ny 3 marsa teo. Telo lahy no tratra niaraka tamin’ny zana-tsokatra miisa 167 tao amina toerana iray. Nosamborina avy hatrany izy ireo ary nogiazana ireo sokatra.
Nandritra ny fanadihadiana natao, fantatra fa tambajotra mpanao trafikana sokatra ireo olona voasambotra ireo. Misy ifandraisany amin’ny heloka bevava sy famotsiam-bola ihany koa. Marihina fa mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity mba hahafahana mamantatra izay mpiray tsikombakomba amin’izy telo lahy tratra ireto.
Nandray anjara tamin’ny nahavitana ity hetsika manokana ity ny fikambanana Wildelife Justice Commission. Entanina hatrany ny olona tsara sitrapo hanome vaovao.
CMS sy Njaka A.




