Miisa 191 ny tafo natolotry ny vondron’ny mpanondrana drakaka ho an’ireo mpiara-belona voakasiky ny rivodoza nifasesy, tany Mahajanga sy Toamasina. Tolo-tanana nataon’ny sehatra tsy miankina ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana sy ho fanohanana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara izany.
Hanaraka fiofanana mifantoka amin’ny fahazoana traikefa mandritra ny roa volana ireo tanora 235 manaraka ny fandaharanasa Asan’AI. Aorian’izay, hiditra an-tsehatra sy hanao fanazarana any amina orinasa ireo nahavita fiofanana. Manomboka amin’ny volana aogositra kosa ny fandraisana ny andiany faharoa. Marihina fa tetezana mivantana mampifandray ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-miasa ny tetikasa.
Miakatra ny ankamaroan’ny vidin’ny legioma eny an-tsena. Lasa 3 500Ar ny vidin’ny korzety raha toa ka 2 500Ar teo aloha. Niakatra 3 000Ar ihany koa ny kilaon’ny ovy. Ao ireo milaza fa ny olan’ny fitaterana no mampiakatra ny vidiny, ao kosa ireo nanazava fa vokatry ny orana nisesy no nahatonga izany. Vokany, mampihena ny vokatra amidiny ireo mpivarotra noho ny olan’ny fandafosana entana.




