Ambodin’Isotry: Jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisy

Misesisesy ny fisamborana jiolahy ataon’ny mpitandro filaminana tato ho ato. Jiolahy iray indray, maty voatifitry ny polisim-pirenena tetsy Am­bodin’Isotry Cité, omaly atoandro, tamin’ny 1 ora sy sasany. Poa-basy niisa efatra no heno sy nanaitra ny mponina teny amin’ny manodidina, tamin’io fotoana io. Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy sinto-mahery teny amin’ny manodidina no nifanenjehan’ny polisy. Avy na­nendaka tovolahikely mpia­natra izy ny maraina. Nanao vela-pandrika ny polisy ka izao nahitam-bokany izao. Efa misy polisy manao fanamiana sivily misafo foana eny an-toerana, noho ny eny malaza ho be olon-dratsy. Tazana teny Abodin’Isotry izy ny atoandro saingy tafaporitsaka tanaty elakelan-trano. Raikitra ny fifanenjehana ary namoaka antsy maranitra hamelezana ireo Polisy ny tenany rehefa tsy nahita lalan-kaleha intsony. Voatery nitifitra, araka izany, ny mpitandro filaminana ka maty noho ny ratra nahazo azy ity olon-dratsy ity. « Niezaka nandositra nitsofoka elakelan-trano io olon-dratsy io saingy tratra tao amin’ny tokontany malalaka tao ambadiky ny fiangonana METM Taberna­kely Ambodin’Isotry », hoy ny fanazavan’ireo mpivarotra teny amin’ny manodidina. Efa naterina eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha moa ny razana.
Toarian’ny fisavana azy, nahitana finday roa sy entana maromaro halatra teny aminy. Hita teny aminy ihany koa ny karapanondrom-pireneny. Mbola manao fikarohana ireo namany hafa ny mpitandro filaminana amin’izao.

Mino

Partager sur: