Miaina anaty fahantrana ny 4 amin’ny 5 ny mponina any ambanivohitra. Nihamafy izany tao anatin’ny 10 taona farany na dia manana otri-kery ara-pambolena goavana aza i Madagasikara.
Mafy ny fahantrana sy ny fahasahiranan’ny mponina any ambanivohitra teo anelanelan’ny taona 2013-2022, araka ny tatitry ny fanadihadiana miisa roa navoakan’ny Banky iraisam-pirenena. Manana vokatra isan-karazany azo trandrahina ho fampivoarana ny fiainan’ny mponina i Madagasikara, saingy mazàna tsy voatrandraka araka ny tokony ho izy izy ireny, raha ny fanazavany. Nasongadiny fa zava-dehibe ny fampitomboana ny vokatra ho fampandrosoana ny toekarena. Mandray anjara 30% amin’ny harinkarena faobe ny sehatry ny fambolena raha 40% kosa ny fanondranana ary mampiasa hatrany amin’ny 70% ny mponina. Nasongadina fa mbola ambany ny fidiram-bolan’ireo tokantrano mivelona amin’ny fambolena tao anatin’ny 10 taona na dia nitombo aza ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara. Voalaza ho antony mahatonga izany fitotongan’ny seha-pihariana ho 21% ka hatramin’ny 65%, izany ny fahavesarana amin’ny hetra, ny fahasimban’ny lalana izay mampiakatra ny saran’ny fitaterana ka mampitoka-monina ny mpiara-belona.
Tetikasa
Sakana amin’ny fampivoarana ny fiainan’ny mponina any ambanivohitra ny tsy fisian’ny famatsiam-bola, ny tolotra niomerika, ny loza voajanahary, ny ady tany sns. “Mananosarotra ny fampihodinana ireo rafitra samihafa vao tsy mitombo ny vokatra. Tafiditra ao anatin’izany ny vola miditra, ny fanamafisana ny tolotra anatiny, ary ireo soa fanararaotra ara-toekarena samihafa”, hoy ny mpanoratra ny taritra, Francis Muamba Mulangu. “Ilaina ny fampitomboana ny famokarana eto Madagasikara noho izy miantoka manontolo ny fampandrosoana ny firenena”, hoy ny mpahay toekarena eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena, i Olive Umuhire Nsababera. Ankoatra izay, mbola ny 4 ka hatramin’ny 17% ny vokatra no voatrandraka, midika izany fa mbola marefo ny tetikasa sy ny fampiasam-bola amin’ny fambolena.
Henintsoa




