Ankadikely Ilafy: Fatin-jaza hita tao anaty harona

Lohan-jaza sy ny tanany hany sisa hitan’ny fokonolona tao anaty harona plastika teny amin’ny fokontany Ankadikely, kaominina Ankadikely Ilafy, distrika Avaradrano, omaly maraina. Notaritarihin’ny alika io harona nisy ilay fatin-jaza vao teraka io ka tavela teo afovoan-dalana, araka ny fiheveran’ireo nanatri-maso. Nampandre avy hatrany ny manam-pahefana ao an-toerana ny fokonolona. Efa nohanin’ny alika ny ampahany tamin’io zaza io. Ny lohany niampy ny tanany hany sisa tavela tao anatin’ilay fonosana. Nanao fanadiha­diana avy hatrany ny zandarimaria miasa ao An­kadikely manolo­ana io tranga io. Tsy fantatra mazava ny reny niteraka nahavita nanary ity zaza ity. Tsiahivina fa fatin-jaza iray hita tao anaty tatatra teny Andrai­soro, ny herinandro lasa teo. Vao teraka ihany koa io zaza io. Mirongatra ny tranga fanarian-jaza tato ho ato.

Tsiferana R.

Partager sur: