VAOVAO TAMBATRA

Navoitran’ny mpitatitra manokana ny haratsian’ny lalam-pirenena RN7, indrindra ny eo anelanelan’Antananarivo sy Antsirabe, ny eo Sakaraha hatrany Toliara. Nandritra ny loabarian-dasy ho an’ny fitaterana an-tanety, natao teto Antananarivo, ny talata teo, izany. Fantatra koa fa tsy andoavam-bola ny fiampitana eo amin’ny baka any Ifasy amin’ny RN6. Efa napetraka koa ny tolo-dalàna, hamerenana ny Tahirimbola hikojakojana ny lalana (Fer), izay Tahirimbola ho an’ny lalana (FR), ankehitriny.
Karohina ny lalam-barotra vaovao amin’ny fanondranana entana any ivelany. Anisan’izany ny mankany Eoropa, Azia, any amin’ny tany arabo (Moyen-Orient), sns. Ho trandrahina izy ireny, hanoloana ny tsena Agoa, izay tsy misy afa-tsy herintaona ihany sisa ny fe-potoana isitrahan’i Madagasikara azy. « Marobe ny otrikaren’i Madagasikara azo ahodina, raha toa ka ny famokarana lamba sy ny fanodinana ara-pambolena ihany ny an’ny Agoa », hoy ny minisitry ny Indostria sy ny tsy miankina, Rasoarahona Andriniaina.
Mihoatra ny 44 000 ha ny nofontany voaaro sy narenina, tao anatin’ny tetikasa ProSol, nanomboka ny taona 2018. Maherin’ny 25 000 ny tantsaha nisitraka ny tetikasa, nampihatra ny teknikam-pambolena agroekolojika. Hany ka niakatra 50% ny taham-bokatra. Miisa 11 000 ny vehivavy nahatsapa fa nihatsara ny fidiram-bolany vokatr’ity tetikasa ity.

Partager sur: