Hetsika Rohy : “Tokony hilaza ny tsy firotsahan-kofidina na tsia ny mpitondra”

“Misy tsy ny nahafa-po amin’­ny tondrozotra”, hoy ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, ny tonia mpanatanteraky ny hetsika Rohy, Andriamo­raniaina Harijaona, teny Amba­tonakanga, omaly, momba ny tondrozotran’ny fitondrana Fa­navaozana. Ao anatin’ny soatoavina ao amin’ny tondrozotra, tsy voalaza ny hoe tokony tsy hisy ny fifangaroan-tombontsoa. Soatoavina iray tokony hitondrana ny fifanakalozan-kevitra sy ny fanavaozana ary indrindra ny fikarakarana fifidianana izay.
Ny olona rehetra, na iza na iza, te hirotsa-kofidina amin’ny fitondrana manaraka: tokony tsy hitondra mandritra ny Te­tezamita. Nefa efa fantatra (?) fa hanao ny fomba teo aloha hampiasa herim-panjakana, fi­taovam-panjakana, olom-panjakana, volam-panjakana amin’ny fahazoana tombony amin’ny fifidianana manaraka. Ireo mpitarika izay maniry hirotsa-kofidina izany, nefa sady mandray andraikitra amin’ny fitondrana Tetezamita. Anisan’ny tsy mahafa-po amin’ny tondrozotra izay.
Tokony ho soatoavina hatao misongadina izay, raha tiana ho anisan’ny filoha ha­napaka amin’izay ny fiverimberenan’ny krizy eto Madaga­sikara ny filoha ankehitriny. Raha mbola miditra amin’ny hoe olona mitarika ny Teteza­mita mampiasa ny hery sy ny fahefany amin’ny fifidianana manaraka, efa fantatra fa mety hanankery mandritra ny dimy na fito taona, ohatra. Nefa tsy maintsy hirodana rehefa avy eo. Satria niainga avy amin’ny fifidianana tsy marina ny fipetrahany eo amin’ny fitondrana, fa manararaotra ny hery sy ny fahefam-panjakana indray.

R. Nd.

Partager sur: