FANTINA sy FINTINA

Hitondra ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny Dinika ho fanavotam-pirenena (DFP), tarihin-dRatolojanahary Maharavo (Doudou), anio, etsy Antaninarenina. Anisan’ny hitondrany ny heviny
amin’izany ny momba ny fanavaozana ny rafi-piarahamonina sy ny fifidianana. Sambany indray no haneho hevitra izy ireo.

Mbola any avaratry ny Nosy ny birao politikan’
ny Tim. Anisan’ny nihaona amin’izy ireo, omaly, ny mpikatroka Tim ao amin’ny faritra Sofia. Natao tao Antsohihy izany. «Matanjaka isika eto amin’ity faritra ity», hoy ireo raiamandreny. Niditra an-telefaonina ny filoha mpanorina, Ravalomanana ary nanentana ny hisoratana anaty lisi-pifidianana.

Manohitra tanteraka ny VFM, ny mpitarika
ny antoko Afima, Imbe Jovial Serge. Nambarany fa
tsy manana fotokevitra ijoroana ireo mpikambana ao amin’io vovonana io. «Mpitady seza fotsiny ireo… Manohana ny fitondrana izahay ary anisan’ny nitolona ho amin’ny fanovana eto amin’ny firenena», hoy izy.

Mitohy amin’ny asam-baomiera ny fivorian’ ny Antenimiera. Anisan’ny nodinihin’ izy ireo, omaly, ny momba ny volavolan-dalàna fanomezan-dalana ny fifanarahana amin’ny ONU momba ny heloka ana habaka. Eo koa ny asam-baomiera momba ny fandikan-dalàna amin’ny fananan-tany. Mbola hitohy anio izany amin’ny fehezan-dalàna momba ny asa tanana.

Partager sur: