Vovonana Irmar : Handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena

Mazava ny zotra ho an’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina na ny Irmar. Vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo.

Ho mpandray anjara feno ny Irmar. Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Irmar. Nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimieram­pirenena, misolo tena ny mpanohitra, Milavonjy Philobert, fa ho avy izy ireo amin’ny fikaonandoham-pirenena. « Vono­na izahay vondrona Irmar, ahitana antoko politika maromaro, ny hitondra sosokevitra amin’izany dinika izany na tsy ho eo aza ny filoha Rajoelina Andry », hoy izy. Na izany aza, tsy mbola namariparitra ny hevitra hoentina amin’izany ity depiote ity. Nanterin’izy ireo anefa fa vonona hisokatra amin’ny adihevitra rehetra ho fikatsahana ny fitoniana eto amin’ny firenena izy ireo ary nanao antso avo ny amin’ny hahafahan’ny rehetra mandray anjara koa amin’izany. Anisan’ny tohanan’izy ireo ny tokony hananganana governemantan’ny fiaraha-mitantana sy ny tokony handraisan’ny ankolafin-kery samihafa ao anatin’izany.
Etsy andaniny, mbola no­hamafisin’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Milavonjy Philobert, hatrany kosa ny tokony hampitsaharana ny fanenjehan’ny fitondram-panjakana ny olon’ny Irmar.
Tsiahivina fa nandray ireo iraky ny Sadc amin’ny fanelanelanana izao toe-draharaham-pirenena izao ny eo anivon’ny Irmar, omaly, teny Tsimbazaza. Nambaran’ireo iraka ireo fa tsy hanery na hitsabaka amin’ny raharahan’ny samy Malagasy izy ireo.

Synese R.

Partager sur: