Hanao ahoana ny ho tohiny sy faran’izao toe-draharaham-pirenena izao? Mbola misy ny tsy mampitovy hevitra be ihany. Eo, ohatra, ny fiarahamonina sivily na antoko sasany, miady sisika hatrany ny amin’ny tokony hisian’ny fifampidinihana sy marimaritra iraisana ny amin’izay rafitra sy fitondrana ny Tetezamita. Mba tsy handeha ila ny fanapahan-kevitra amin’izay atao. Mbola mahabe resaka ny sasany koa, ohatra, ny amin’ny hoe fanadiovana sy ny ady amin’ny tsimatimanota. Voasoketa ambony ihany ho valifaty politika, fanaovana hala bika tsy tiana tarehy… Rehefa hanao an’izay ihany, nahoana, hono, no tsy voatohintohina ny olon’ny fitondrana talohan’ny farany teo: misy manana fitoriana mikatso eny amin’ny Antenimierampirenena, ao ny fanta-poko fanta-pirenena fa nanodinkodina volam-bahoaka… Loza iray, loza roa: misy nomena andraikitra sy toerana indray?
Hanao ahoana izany rehetra izany? Na misy hatrany ny tsimatimanota, ny ambonin’ny lalàna na heverina ho izany… Mila fandinihana lamina sy maharitra? Tsy mampihazakazaka, tsy mahataitaitra… Tsy ilaozan’izay tsy maty voalavo an-kibo ny raharaha, na mpamendrofendro, mpanakorontana… ? Tsy izay mihazakazaka na maika tsy faingana no lasa lavitra sy azo antoka fa ho tonga any amin’izay aleha, fa izay mandeha miadana sy tsy mijanona. Izay maika tsy faingana, mety ho tafintohina na ho reraka ambony ihany. Hanao ahoana àry izay aleha sy atao amin’izao? Eo indrindra… Raha vao omena vahana na manjaka ny tsy fitovian-kevitra na fifandroritana, tafiditra ho azy ny ratsy hoe tsy kely lalana. Na eto an-toerana io, na any ivelany. Aleo malina na marina aza, fa tsy mipetra-potsiny amin’izao izay mety ho very tombontsoa manokana amin’ny hoe fanovana na fanavaozana.
R. Nd.




