Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena fahadimy A, mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar, omaly maraina tokony 10 ora. Olona telo nandeha tamin’ny kodiaran-droa tra-doza namoy ny ainy.
Niseho teo amin’ny 50 km miala an’Ambilobe ny loza. Nifandona mafy teo amin’ny lalana anelanelan’Ambararata Loky sy Antanamivony, kaominina ambanivohitra Bitsiaka, Distrikan’ Ambilobe ny fiara fitateram-bahoaka sy moto iray. Nitondra olona telo ity kodiaran-droa niharan-doza ity tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Noho ny hamafin’ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, maty tsy tra-drano teo noho eo, ny olona roa nitaingina izany. Naratra mafy ary noentina haingana tany amin’ny hopitaly ny fanintelony saingy tsy tana ihany koa ny ainy. Mpandeha iray tao amin’ilay fiara no naratra ary efa nalefa notsaboina eny amin’ny hopitaly. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary avy any an-toerana, nandeha mafy ilay kodiaran-droa. Nandalo fiholahana ny lalana ka tsy nahatery tany amin’ny ankavanan-dalana ny mpitondra io moto io. Nisy mazda nitondra mpandeha nifanenana tamin’ izy ireo ka nifatratra tamin’io fiara ilay kodiaran-droa.
Nitondra marary tany amin’ny hopitaly
Olona telo no niharan-doza tamin’ilay kodiaran-droa. Marary ny iray, izay nokasaina hovonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana tao Ambilobe saingy izao namoy ny ainy izao avokoa. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny zandarimaria miasa ao amin’ny tobim-paritra Ambilobe. Nanao ny fanadihadiana sy ny nijery ny zava-nisy izy ireo.
Tsiahivina fa nisesesy ny loza m-pifamoivoizana tamin’ny kodiaran-droa tamin’iny lalam-pirenena iny tato ho ato. Kodiaran-droa roa ihany koa no nifandona tao Ambato Escalier, mampitohy an’Ambakirano sy Ambilobe, ny alakamisy lasa teo. Olona iray noentina tamin’izany no namoy ny ainy teo noho eo. Naratra mafy kosa ireo mpamilin’ireo moto nifandona ireo. Entanina hatrany ny mpampiasa lalana sy ny mpamily mba hitandrina sy hanaja ny hafainganam-pandeha eny amin’ny lalana. Mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao.
Mino




