Halatra fitaovana informatika: Lehilahy iray voasam­botry ny polisy

Nosamborin’ny polisim-pirenena avy amin’ny Sampan-draharaha misahana ny heloka bevava (SRPJ) ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Alaotra-Mangoro, ny sabotsy teo, ny lehilahy iray, voarohirohy ho nangalatra tao amin’ny mpampiasa azy. Raha ny fanazavana voaray, mpiasa mpanadio tao amin’ny orinasa iray tao Ambatondrazaka izy. Noharaoraotiny izany asany izany hangalarana. Lasany, nandritra izany, ny fitaovana informatika sasantsasany sy vola mitentina 1,2 tapitrisa Ariary tao amin’ny mpampiasa azy, ny 6 marsa lasa teo. Lasa nitsoaka izy taorian’izay.
Tonga nanao fitarainana teny amin’ny polisy ny tompon’ny entana very. Natao ny fikarohana ilay nahavanon-doza ka tratra. Nosamborina izy ary nentina anaovana fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy. Niaiky ny heloka nataony izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Nafeniny tamin’ny toerana hafa ireo entana nangalariny rehetra. Natao ny fisavana ary hita tao amin’ilay toerana izany. Naverina any amin’ny tompony avokoa izany avy eo.

Mino

Partager sur: