Tsiafahy : Jiolahy iray maty voatifitry ny zandary

Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny jiolahy iray tetsy Masindray, fokontany Ambatofotsy, kaominina Tsia­fahy, afakomaly 9 marsa 2026. Anisan’ny malaza amin’ny halatra omby sy fanafihana mitam-piadiana izy io, raha ny fanazavana voaray. Naharay antso avy amin’ny tsara sitrapo ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanafika sy hangalatr’omby tao an-toerana. Nanao ny angom-baovao rehetra izy ireo ka nidina ifotony nanao ny paikady sy ny fanaraha-maso rehetra. Nifanehitra tamin’ity an­dian-jiolahy ity izy ireo. Ni­tsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy rehefa nahita ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifanenjehana ary nikasa haka basy sy hikapa zandary ta­min’ny antsy ny lehilahy iray. Voatery nitifitra, araka izany, ireo zandary ka nahalavo io jiolahy io. Tafatsoaka ireo namany hafa. Tavela teo kosa ny omby miisa telo sy kisoa enina ary fitaovana ahina ho nampiasaina tamin’ny halatra. Tany amin’ny 500 metatra miala ny tanàna no nisian’ny fifampitifirana. Efa nogiazana ireo biby fiompy halatra ireo taorian’ny fifanenjehana.
Marihina fa anisan’ireo jiolahy nandray anjara tamin’ny fanafihana nitranga tany An­drailambo, Tsiafahy, ny 1 marsa lasa teo ity voatifitra ity. Zandary roa moa no naratra nandritra io fifandonana taloha io.

Mino

Partager sur: