Dokera sady mpanendaka: Lehilahy roa tratra nangalatra tongolo

Nidoboka vonjimaika eny amin’ny fonjan’Avaradrano ny roa lahy tratra nangalatra tongolo iray gony teny Talata Volonondry, ny talata lasa teo. Voasambotry ny zandarimariam-pirenena miasa ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry, ny talata 10 marsa 2026 lasa teo izy ireo. Voarohirohy sy tratra nangalatra entan’olona tongolo iray gony tao an-tsena. Andron’ny tsena eny an-toerana tamin’io fotoana io, nikarama mibata entan’olona izy ireo. Nota­terina tany anaty kamiao ireo tongolo. Misy mangalatra anefa ny tongolo iray fatorana tamin’ireo efa tao anaty fiara. Nahatsikaritra ny fahambangana ny tompon’entana ka nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany. Novo­riana ny lehilahy mpibata entana rehetra tao an-tsena. Rehefa natao ny fisavana dia lehilahy roa, mpisandoka dokera, no nahatratrarana tongolo milanja 69 kilao. Marihina fa dokera avy etsy Anosibe tsena ireo roa lahy tratra ireo. Noho ny fitiavan-kely, tonga mitety tsena izy ireo manao ny asa ratsy. Sady mangalatra no mangarom-paosy ary manao sinto-mahery izy ireo mandritra izany.
Marihina fa efa manjaka ny dokera mangalatra entana manerana ny Nosy. Anisan’ny ahitana izany matetika ny etsy amin’ny Tsenan’Anosibe. Lasa mitsoaka miaraka amin’ny entana anefa izy ireo avy eo rehefa variana kely ny tompon’entana.

Mino

Partager sur: