Olona iray notanana eny amin’ny zandary : Mpamily hita faty nokendaina tanatin’ny fiara nentiny

Nahitana fatin-dehilahy iray tao anaty fiara mpitatitra entana, tetsy Miadana Alasora, omaly maraina. Nahitana mangana ny tendany, ary ahina ho nokendaina ny nahafaty azy. Olona iray notanana sy miatrika fanadihadiana eny amin’ny zandary.

Lehilahy iray, 42 taona, hita faty tao anaty fiara Hyundai camionnette miloko fotsy, tetsy Antanety, fokontany Miadana, kaominina Alasora, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora. Nahatsikaritra olona efa tsy nisy aina intsony ny mponina manodidina ka nampandre ny mpitandro filaminana. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana ny zandarimariam-pirenena sy ny polisy Alasora taorian’ny antso. Tonga teny an-toerana ihany koa ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB II Alasora, nizaha ny razana. Hita nipetraka nihohoka teo amin’ny toeran’ny mpandeha fa tsy eo amin’ ny toeran’ny mpamily izy io. Tsy nahitana ratra ny vatany fa nokendaina ny antony mety nahafaty ity lehilahy ity, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Nam­baran’ny mpitsabo hatrany fa nahitàna tsiranoka nivoka ( Éjaculation forcé) ny filahiany.

Nahitana mpamily hafa nitondra ny fiara
Nisy nahita io fiara io nidina teo an-toerana fa mpamily hafa no nitondra azy, talohan’ny tranga, raha ny angom-baovao voaray tamin’ny olona manodidina. Io mpamily io no ahin’ny fianakaviana ho tompon’antoka tamin’ny vono olona. Ankoatra izay, mbola naka rano teo amin’ny paompy teny an-toerana ity lehilahy maty ity ora roa talohan’ny tranga. Nanamafy kosa ny mpampiasa azy fa nirahiny handeha antsaka rano niaraka tamin’ ny fiara teny an-toerana ity mpamily ity tamin’ny 05 ora maraina.

Olona iray notanana eny amin’ny zandary

Olona iray (mpamily taloha, niasa tao amin’ny orinasa) no notanana vonjimaika sy miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny zandarimaria Alasora momba io raharaha io. Taorian’ny fizahan’ny mpitandro filaminana ny zava-misy teny an-toerana. Tonga naka ny fiarany teny an-toerana ny tompon’ny fiara, sady mpampiasa azy vao nahare ny vaovao. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Brigady Alasora mba hahafantarana ny antony nahafaty sy ny tompon’andraikitra tamin’izany. Hametraka fitoriana ny fianakaviana.

Mino

Partager sur: