Toamasina : Niravona ny disadisa tao amin’ny SMMC

Tsy nanaiky ny fanendrena ny tale jeneraly vaovao, ao amin’ny orinasa SMMC Toa­masina, Hanjatiana Cadet En­dor, nandimby an-dRan­dria­misaina Charles, ny mpiasa, teo aloha teo. Niravona izany, ankehitriny, taorian’ny fanelanelanana nataon’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena (VPan), Fidele Razara Pierre. Resy lahatra amin’ny 65% ny vahaolana noraisina ny mpiasa. Nilaza ny tale jeneraly (DG) vaovao, Hanjatiana Ca­det Endor, fa « ho voavaha ao anatin’ny iray volana ny olana. Higoka ny tombontsoa ny mpiasa tsirairay ».
Nijery ifotony teny amin’ny seranan-tsambo Toamasina ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy, ny 11 marsa teo. Na­notrona teny koa ny ny VPan sy ny tale jeneraly mpisolo toerana, teo aloha. Maro ny fahasimbana ka tsy maintsy harenina. Ho ezahina ny hampidinana ireo entana mbola ao anaty sambo, satria iankinan’ny filan’ny mpandraharaha sy ny mpanjifa izany.
Sambo telo no nisedra olana vokatry ny fitokonan’ny mpiasa, efa mandeha ny fampidinana ny entana, ankehitriny. Ny sambo LCAW Tana, mitondra vy, ny Puerto Rosa­ria, mitondra simenitra ary ny SEA Champion, mitondra va­ry.
Nohazavain’ny DG ny SMMC, fa ny fiara mandeha teo am-pahatongavana dia tokony handeha ihany amin’ny fotoana hakan’ny mpanafatra azy. Ny teknisianin’ny SMMC, hamarinin’ny manampahaizana entin’ny tompony, kosa no mandrafitra ny fiarabe mba hisian’ny fifampitokisan

Sajo sy Njaka A.

Partager sur: