Mampitandrina ireo mpandraharaha ara-barotra mba tsy ho alaim-panahy hampakatra amin’ny tsy antony ny vidin’entana eny an-tsena ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana. Manentana ny mpivarotra hametraka ny vidin’entana ho talaky maso, araka izany, ny tomponandraikitra mba hisorohana ny fanararaotana. Nojerena akaiky tamin’izany ny vidin’entana eny amin’ireo mpamongady sy mpaninjara samihafa.
Haharitra herinandro ny asa fanamboarana ny vata mpanova herinaratra MALT 5MVA ataon’ny ekipa teknikan’ny Jirama ao amin’ny faritra Itasy. Jerena avokoa ny pitsopitsony samihafa amin’ny fanarenana mba hahafahana mamatsy herinaratra any an-toerana. Mbola mitoetra, araka izany, ny fahatapahan’ny famatsiana herinaratra amina faritra maro ao an-toerana.
Hotanterahina ny 28 marsa ny Earth Hour. Hetsika hanomezana ora iray ho an’ny tany mba hahafahana mandray andraikitra ho an’ny fiarovana sy fikarakarana ny planetantsika. Entanina ny rehetra hanao izany amin’ny alalan’ny hetsika fanadiovana, fambolen-kazo ho fiarovana ny tontolo iainana. Ialana ny fampiasana ny plastika izay anisan’ny mamotika sy manimba ny zavamananaina.




