Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizan’aina olona indray teny amin’ny lalam-pirenena RN1 Bis, tao Mahatsinjo Tsiroanomandidy, omaly maraina tamin’ny 5 ora. Fiara Starex iray, no niharan-doza tampoka teny an-dalana. Olona valo no tao anatin’io fiara io. Vaky tampoka ny kodiaran’ny fiara rehefa tonga teo amin’ny sampanana hiditra an’i Mahatsinjo ka tsy nahatana ny familiana intsony ny mpamily. Niala ny lalana ny fiara ka nifatratra tany amin’ny hazo teo amoron-dalana. Nikasa hampiditra solika sy hanala ireo mpandeha ny mpamily tamin’io fotoana io. Vokany, olona efatra mpandeha tao anaty fiara niara-maty. Maty teo no ho eo vokatry ny ratra mafy nahazo azy, ny olona roa. Maty teny amin’ny hopitaly CHRR Tsiroanomandidy kosa ny roa hafa. Ankoatra izay, olona efatra hafa naratra mafy ary mbola manaraka fitsaboana any amin’ ny hopitaly. Anisan’izany, ny miaramila mpamily sady tompon’ny fiara niharan-doza.
Mpampianatra ao amin’ny EPP Ambararata Ambalanirana ary mpikambana ao amin’ny FEFFI ny efatra namoy ny ainy sy ny roa hafa naratra. Mipetraka ao Ankadinondry Sakay avokoa izy ireo. Nikasa ho any Tsiroanomandidy andeha haka vola “caisse école” izy rehetra. Niangavy io miaramila io ireo mpampianatra ireo mba hitondra azy any an-toerana saingy izao niharan-doza izao. Handeha hanatrika fivoriana tao amin’ny toby miaramila Andranomadio kosa ilay mpamily. Efa eo am-pelantanan’ny zandary avy ao Tsiroanimandidy ny tohin’ny raharaha. Tsy misy ahina koa ny ain’ny mpamily, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary.
Mino




