Hafa ihany ny tsy mivadika

 

Mitohy ny tantara. Ny teo ihany no mifamadibadika. Iza no manampo fa miverina tsikelikely ny tantara. Mbola tafaverina amin’ny heriny ny Arema na dia amin’ny endriny vaovao aza. Samy amin’ny kajy politika ny rehetra fa hafa raha samy hafa tokoa ny olon’izany amiraly na « deba » izany. Tsy nivadika sy tsy mivadika mihitsy na ny zanaka taty aoriana na ny «  goaikantitra ».  Rehefa mena dia mena!
Tsy ambakan’izay ry zareo mangamaitso mifangaro mena na ny Tiako i Madagasikara an’i « dada Valo ». Lazaina ho mpanao kirin’antitra, saingy saro-piaro amin’ny soatoavina izay napetrany. Mahavariana ny faharetan’ireo mpomba azy ny famakivakisana tany hay, am-polotaonany. Tena tsy ankiala ny teny amin’ny Magro Behoririka sy Tanjombato.  Tsy sakana mihitsy ny fitsoahan’ny mpitarika tany ivelany.
Ireo antoko lehibe ireo aloha, hatreto, no hita fa manana olona. Sady tokam-po ny mpikambana no resy lahatra amin’ny fotokevitra ijoroany. Misy ny antoko, mijoro fahatany ho fakan-tseza. Tsy mahagaga raha vao miongana, tsy manana mpanara-dia intsony. Mamadika palitao anatin’ny indray mipi-maso ry  zalahy sy zavavavy na ry ramatoa sy andriamatoa. Baikoin’ny tombontsoa manokana fa tsy ny firoboroboan’ny antoko sy ny tombontsoan’ny besinimaro.
Inona no ifampizarana izany? Miandry Praiminisitra vaovao isika izao. Inona ny sakana raha mba ireny antoko goavana sy manana ny maha izy azy ireny no mamoaka olona? Betsaka ny mahay sy manam-bola, fa hafa kokoa raha miampy olona manana etika politika sy manaja ny fitsipiky ny antoko no iantefan’ny safidin’ny Filoha. Tsy olona manobatobaka vola hanimba endrika ilay hasina «  maha miaramila »

r.r

Partager sur: