Nanendaka vehivavy mitaiza kely : Lehilahy iray niharan’ny vono tetsy Vontovorona

Olon-dratsy iray, 40 taona, niharan’ny fitsaram-bahoaka tetsy Vontovorona, omaly maraina, ka naratra mafy. Avy nanendaka vehivavy iray (30 taona) mitaiza kely, tao amin’ny faritry ny sekoly ity farany. Naheno vehivavy niantso vonjeo teny andrefan’ny faritry ny oniversite ireo mpianatry ny Sekoly polyteknika (ESPA), omaly, tamin’ny 05 ora maraina. Nifanenjehan’ireto farany ilay olon-dratsy ka tratra tsy lavitra teo. Nahita izany ireo mponina ka nidaroka sy nikasi-tanana io lehilahy io, noho ny hatezerana. Vokany, naratra mafy teo amin’ny lohany sy teo amin’ny vatany izy. Nanapa-kevitra ny hanatitra azy io teny anivon’ny zandarimaria ao amin’ny zana-tobim-paritra Vontovorona ireo mpianatra miisa 30, taorian’izay. Nentina notsaboin’ny zandary teny amin’ny CSB II Alakamisy izy avy eo. Naverina natao andrimaso eny amin’ny biraon’ny zandary rehefa nahazo fitsaboana sahaza azy. Mba hiarovana ny ainy. Hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana. Nametraka fitoriana moa ilay vehivavy niharam-boina.
Nosintomin’ity lehilahy ity an-keriny ny finday iray teny an-tanan’ilay vehivavy lasibatra ka lasany. Taorian’ny fanamarinana nataon’ny zandary, naverina taminy izany.

Mino

Partager sur: