67 Ha : Jiolahy maty voatifitry ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy nanao fanamiana sivily ny jiolahy iray teny 67 Ha, omaly ma­raina. Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny amin’iny faritra iny, nanao hetsika manokana ny ekipan’ny polisim-pirenena. Nanao fisafoana teny an-toerana izy ireo ka nisy tamin’ny ekipa nanao fanamiana sivily. Vao mangiran-dratsy, nisy telo lahy nanatona ny polisy iray anisan’ireo nanao io hetsika io. Tsy nahafantatra, araka izany, ireo olon-dratsy. Nane­ry ilay polisy hanome ny zavatra sarobidy rehetra ireo olon-dratsy ireo. Nitonona ho polisy anefa io lasibatra io ary nandidy an’ireo jiolahy tsy hisy ihe­tsika intsony. Namoaka sabatra avy hatrany anefa ny iray tamin’ireo mpanao ratsy. Ni­ka­sa hamely an’ilay polisy. Nitifitra tamin’ny basy io mpitandro filaminana io ka lavo tamin’ny tany ny iray tamin’ireo mpanendaka. Tafaporitsa­ka ta­naty elakelan-trano ny naman’ity farany miisa roa. Mitohy ny he­tsika ataon’ny ekipan’ny polisim-pirenena hamongorana ireo jiolahy eto an-dRenivohitra.

Tsiferana R.

Partager sur: