Fiarovana ny zon’ny mpanjifa : Ilaina ny fiaraha- mientan’ny rehetra

“Mbola miparitaka ny vokatra tsy azo antoka, misy hosoka na tsy manara-penitra ka mampihena ny fahatokisan’ny mpanjifa satria mampidi-doza azy, indrindra fa ara-pahasalamana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC), Rasolofoarison Misa, nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa (JMDC). Hetsika natao omaly, tetsy Mahamasina. Fotoana manan-danja ny JMDC satria hampianarana ny zo sy andraikitry ny mpanjifa, hampahafantarana ireo olana ary hikaroham-bahaolana momba ny fanjifana. Niray feo, araka izany, ny ankolafy samihafa nilaza fa mitaky fiaraha-mientan’ny rehetra ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa. Tao anatin’izany, nanazava ny andraikitra sahaniny avy ny laboratoara fanaovana fitilana (ACSSQDA), ny Biraon’ny fenitra eto Madagasikara (BNM) ary ny komitim-pirenena momba ny fampanarahana ny fenitra, Codex Alimentaires, (CNCA). Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny Varotra anatiny sy ny fanjifana, Rakotoson Gilchrist, fa “tsirihina sy mandalo laboratoara avokoa ny entana vao miditra amin’ny tsena sy hamidy eto Madagasikara. Handraisana fepetra hentitra sy hampiharana lalàna kosa ny fivarotana entana lany daty sy tsy mifanaraka amin’ny kalitao apetraky ny minisitera. Nambarany fa miara-manatrika ny fanasokajiana ny vary ny minisitera sy ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Mitily momba ny fahazoana mihinana na tsia kosa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Henintsoa

Partager sur: