Fizahantany : Latsa-bidy ny taozavatra malagasy

Dimy andro taorian’ny nandalovan’ilay sambo mpitondra mpizahatany, Pacific Worls, tao Toamasina, dia nanao tombana ny mpikarakara sy ny mpivarotra asa tanana sy ny taozavatra vita malagasy. Nilaza ireo mpivarotra fa latsaka noho ny tsena andavanandro ny vidin’entana. Tsy nampiova na inona na inona ny fifanakalozana tamin’ny sandam-bola dolara.
Tetsy ankilan’izay, nisitraka ny fandalovan’ireo mpizahatany japoney sy sinoa miisa 1 700 sy ny mpiasan’ny sambo nitotaly 500 ny mpampiasa lakana sy ny mpitondra posy.
Marihina fa nizarazara ta­min’ny toerana maro ny mpitsidika. Nisy ny nandray lakana, namakivaky ny lakandranon’i Pangalana. Teo ny nisafidy ny nijery ny valanjavaboahary. Nisy ny nitsidika ny akany fitaizana zaza sahirana tao amin’ny SOS Village d’enfants. Maro no nijanona tao an-drenivohitry ny fa­ritra Atsinanana. Tsy na­ha­sa­kana ho azy ireo ny vokatry ny rivodoza, izay mbola ao anatin’ny fanarenana tanteraka.
Nanampy ny traboina
Tsiahivina fa naharitra roa andro ny fijanonan’ity sambo goavambe ity, tao Toamasina. Ny ONG Peace Boat no nikarakara ny mpandeha tany an-toerana. Tsy nahasakana ny mpivarotra, handafo ny entany ilay vidiny latsaka ambany. Ny fanadihadiana natao tany Bazary Ben’i Toamasina no nahalalana fa tsy nanampidiny izy ireo. Sitrany ahay mahalafo mba hahazoam-bola hanarenana ny takaitra navelan’ny rivodoza tany amin’ny tokantranon’ny tsirairay.
Talohan’ny niangan’ny sambo, niala tao Toamasina, dia nanolotra fanampiana ho an’ny traboina ny ONG Peace Boat. Voalaza fa niandraikitra ny fizarana ny BNGRC. Tsy nahafa-po ny mpitari-dalana na ny mpitaridia anefa ny fitantanana. Tsy anisan’ny nisitraka ny fanampiana izy ireo, izay nilaza fa tokony ho nahazo satria mponin’i Toamasina, traboina ihany koa.

r.r

Partager sur: