Raim-pianakaviana sy ny zanany lahimatoa niara-maty, omaly alina, teny Alakamisy Fenoarivo. Tompon’antoka ny jiolahy miisa 12 mitam-basy. Lasan’izy ireo ny vola 300 000 Ariary.
Raim-pianakaviana, 67 taona, sy ny zanany lahimatoa, 41 taona, niara-namoy ny ainy taorian’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Ambohidrazana, kaominina Alakamisy Fenoarivo, ny alin’ny sabotsy 14 marsa lasa teo, tamin’ny 11 ora sy 57 minitra. “Jiolahy tsy latsaky ny 12 lahy nitondra fitaovam-piadiana no niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io”, araka ny angom-baovao voaray teo anivon’ny kaomandin’ny tobim-paritra Fenoarivo. Nongotan’ireo tsy valahara ny varavaran’ny trano. Nitaky vola sy ny entana sarobidy, toy ny firavaka sy finday, ireo mpandroba. Tsy nitsahatra nanapoaka basy ireo mpanao ratsy ka voan’ny bala ny lehilahy miisa roa tao amin’io tokantrano lasibatra io. Namoy ny ainy avokoa ireto farany taorian’ny fahaverezan-dra be loatra nahazo azy. Ramatoa iray naratra ka nentina namonjy hopitaly. Vola 3 hetsy Ar niampy finday sy firavaka no nentin’ireo jiolahy nandositra.
Fanafihana vita kajy
Tonga ara-potoana ny zandarimaria miasa eny an-toerana. Niara-nahetsika avokoa ireo zandary amin’ny zana-tobim-paritra manodidina. “Nananosarotra ny fidirana tany amin’io toerana nitrangan’ny fanafihana io ary mora ho an’ireo mpanao ratsy ny nandositra”, hoy ny fanazavana voaray. Fanafihana efa vita kajy io nitranga tao Ambohidrazana io, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny zandarimaria ao an-toerana. Velon-taraina ny mponina amin’ny faritra Atsimondrano hatrany amin’
ny kaominina Ampangabe, noho ny fisian’ny andian-jiolahy mamono olona. “Tsy vitan’ ny mandroba ireo jiolahy fa mangalatra sady mitifitra mihitsy”, hoy ny zandary. Miantso ny tomponandraikitra hanamafy ny fiarovana azy ireo ny vahoaka eny an-toerana ary hanao hetsika manokana ahafahana mamongotra ireo mpanao ratsy ireo. Raha tsiahivina, vehivavy roa maty notifirin’ny jiolahy tao Ankidondona, kaominina Ampangabe, distrikan’Ambohidratrimo, ny zoma 13 marsa teo. Mitovy tanteraka tamin’ny zava-nitranga tao Ambohidrazana Fenoarivo ny fanafihana nataon’ireo jiolahy.
Tsiferana R.




