Notanterahina ny 13 sy 14 marsa teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny « Salon des transports et de la chaîne logistique ». Nandray anjara, tamin’izany, ny sehatry ny fitaterana an-tanety, ana habakabaka, an-dranomamy sy an-dranomasina.
Manana vina sy tanjona iombonana ny mpisehatra amin’ny fitaterana tsy ankanavaka. Izany dia voafintina amin’ny hoe: « hametraka ny fitaterana malagasy ho antokon-kery manosika ny fanovana ara-toekarena, ny fampifandraisana ny faritra ary ny fisokafan’i Madagasikara amin’izao tontolo izao ». Nohamafisin’ny Sekretera jeneraly (SG) ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Rakotomalala Dina Hariniry, nandritra ny fanokafana ny hetsika, ny anjara toerana lehibe ananan’ny fitaterana amin’ny fampandrosoana ny toekarena. « Ho an’ny Nosy midadasika toa an’i Madagasikara, tsy tolotra fotsiny ny fitaterana fa andry stratejika, iray amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy », hoy ihany izy.
Nomarihiny fa ny lalana, ny seranan-tsambo, ny seranam-piaramanidina, ny lalamby ary ireo fotodrafitrasa dia tena lalandra iainan’ny toekarem-pirenena. Ahafahan’ny olona, ny entana ary ny fampiasam-bola mivezivezy manerana ny Nosy izany.
Mampivondrona
Ankehitriny, ahafahana manamafy ny fifandraisan’ny faritra ny fitaterana. Manohana ny fifaninanana ara-toekarena. Manamora ny fifanakalozana ara-barotra ary misarika ny mpampiasa vola. Araka izany, sehatra goavana ifanakalozan-kevitra sy ananganana fiaraha-miasa ny fitaterana. Mampivondrona ireo mpisehatra rehetra, izany hoe, ny mpandraharaha amin’ny fitaterana, ny mpikarakara ny fandefasana entana any ivelany (transitaires), ny matihanina amin’ny fitahirizan’entana, sns. Eo koa ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy teknika (PTF).
Tsiahivina fa andiany fahenina ity notontosaina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ity.
Njaka Andriantefiarinesy




