Vehivavy roa efa renim-pianakaviana tra-tehaky ny mpitandro filaminana nangarom-paosy teny Anatihazo Isotry, ny marain’ny alakamisy 12 marsa lasa teo. Miandry ireo mpiangona avy mivavaka maraina izy roa vavy. Matetika naharay fitarainana ny polisy ka nanao paikady manokana hanatrarana ireo olon-dratsy. Noraisim-potsiny teo am-panatontosana ny asa ratsiny izy roa vavy.
Ankizivavy iray voafaokan’ny fiara ka vaky loha teny amin’ny Rocade Iarivo, ny marain’ny sabotsy 14 marsa teo. Nentin’ny tsara sitrapo namonjy hopitaly avy hatrany io zazavavy io. Tsy nahina ny ainy ary nahatsiaro tena izy taorian’ny fotoana nitrangan’ny loza.
Fiara iray novakian’ny olon-dratsy teo alohan’ny faritra Miami, Toamasina, afakomaly. Lasan’ny olon-dratsy ny kitapo miloko mainty nisy solosaina sy kojakoja. Tsy nisy nahatsikaritra ny nanaovan’ireo tontakely ny asa ratsiny tamin’io fotoana io.
Andian’olona nitora-bato ka nanimba ny toerana malaza “Taxi-hely” teny Ambohipo, afakomaly. Nitabataba, nikasa handoro io toerana io mihitsy ireo olona ireo. Niatrana teny an-toerana ny mpitandro filaminana ary nanao tifi-danitra nentina nanaparitahana ireo nikasa handoro.
Teratany vahiny roa, mpifankatia, nisy nanatsatoka antsy tao Andranomadio, kaominina Toamasina I, afakomaly. Nentina namonjy hopitaly izy
roa. Voasambotra ary atao famotorana kosa ny lehilahy iray, zanaky ny anadahin’ilay vehivavy vadin’io vazaha io.




