Nitaingin-dakana haka trondro, namoy ny ainy rehefa natelin’ny ranon’Ikopa ny lehilahy miisa roa tao amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, ny alin’ny alahady 15 marsa teo.
Navadiky ny lakana fampiasany andavanandro hitadiavam-bola, namoy ny ainy ireo roa lahy mpiara-miasa teny Andranovaky-Ampasika, fokontany Anosimasina, kaominina Bemasoandro Itaosy, distrikan’Atsimondrano, ny alin’ny alahady 15 marsa teo. Efa mpiaraka mitady vola amin’ny alalan’ny fanjonoana ireo roa lahy mianaka ireo. Niala ny trano fonenany, ny sabotsy maraina izy mirahalahy. Nihazo ny reniranon’Ikopa ary nikasa haka trondro toy ny mahazatra azy ireo. “Nisy nilaza nahita azy roa lahy ireo teny ambony lakana taorian’io ny olona teny amin’ny manodidina”, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Tsy nody an-trano anefa izy roa lahy saingy tsy nisy nahatsikaritra ny manodidina. Naharay antso tampoka ny zandarimaria fa misy fatin’olona hita teo amin’io toerana atao hoe Andranovaky io, tamin’ny 6 ora hariva. Natsingevan’ny rano ny nofo mangatsiakan’ireo roa lahy mpaka trondro ireo. Nivoa-dra ny vavan’ny iray tamin’izy ireo.
Lakana nivadika
Nataon’ny mpitsabo avy eo anivon’ny CSB II Bemasoandro fizahana ny vatana mangatsiakan’ireo olona ireo. Voamarina fa navadiky ny lakana no nitarika ny fahamoizan’izy ireo aina. Tsy nisy nahatsikaritra rahateo ny fahavoazana sy ny nitrangan’ny loza. Nampandre ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny mpitandro filaminana ary niroso tamin’ny fikarohana ny fianakavian’ny maty. Natolotra ireto farany ny vatana mangatsiakan’izy roa lahy. Nanao fanentanana manokana sy toromarika ho an’ireo mponina manodidina izay mivelona amin’ny asa mampiasa lakana eny an-toerana mba hitandrina hatrany, ahafahana misoroka ny loza tahak’izao, ny tomponandraikitra. Mponina ao Ampasika avokoa izy roa lahy mianaka niara-namoy ny ainy ireo.
Tsiferana R.




