Moto nidona tamin’ny sisin-dalana: Miaramila iray namoy ny ainy tetsy Soanierana

Miaramila iray matin’ny lo¬zam-pifamoivoizana tamin’ny fitondrana moto, tetsy Soanierana, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 3 ora tany ho any. Naratra mafy ary efa manaraka
fitsaboana eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha kosa ny vehivavy iray niaraka taminy. Lehilahy iray efa tsy nisy aina intsony sy nitsirara tamin’ny tany no hitan’ny olona nandeha maraina teny an-toerana. Nianjera teo akaikiny ny moto scooter marika Kymco Megafi sy ny tovovavy iray. Nampandrene­sina mahakasika ny zava-nitranga ny mpitandro filaminana, tamin’ny 3 ora sy sasany maraina. Tsy niandry ela fa tonga teny an-toerana avy hatrany izy ireo taorian’ny antso.
Miaramila miasa ao amin’ny BMPE infanterie etsy Ivato io niharan-doza io, raha ny fanadihadiana nataon’ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny Tana ville, misahana ny raharaha. Nan­deha mafy ny mpitondra io kodiaran-droa io. Nianjera tamin’ny tany ny moto nentin’izy ireo ka nidona tamin’ny sisin-dalana ny lohan’ilay miaramila. Vokany, maty tsy tra-drano ny tenany, noho ny dona mafy nahazo azy. Vehivavy iray niara-dia taminy no naratra mafy ary efa nalefa eny amin’ny hopitaly.
Tonga naka sy nanatitra ny razana teny anivon’ny hopitaly HJRA ny avy amin’ny BMH. Nanamafy kosa ny mponina eny an-toerana fa anisan’ny faritra be mpanendaka sy be olon-dratsy eny amin’ny manodidina eny. Efa eo am-pelantanan’ ny zandarimariam-pirenena ny raharaha. Entanina hatrany ny mpampiasa lalana mba hanaja ny hafainganam-pandeha, hisorohana ny loza tahaka izao.

Mino

Partager sur: