Voasambotry ny ekipan’ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny CSP8 Analamahitsy teny amin’ny faritra Ivandry, boriborintany fahadimy, ny sabotsy 14 marsa teo, ny dimy lahy. Anisan’ireo nikasa hiditra antsokosoko tao amin’ny masoivohon’i Chine, eny Nanisana, izy ireo. Nisy andian’ olona nikasa hiditra tao amin’ io toerana io, ny alin’ny zoma 13 marsa lasa teo, tamin’ny 11 ora alina. Miisa dimy lahy ireo mpangalatra tamin’io fotoana io, saingy tsy tafiditra izy ireo noho ny fisian’ny mpiambina maromaro. Nampandre avy hatrany ny polisy misahana ny boriborintany eny an-toerana rahateo ireo mpiambina ka tsy tanteraka ny fikasan-dratsin’ireo jiolahy. Voasambotra nandritra ny sakoroka ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Tafaporitsaka ny namany ary niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadiana ny ekipan’ny polisim-pirenena. Nitoroka ny toerana nisy ireo namany nandositra io lehilahy iray azo sambo-belona io. Noraisim-potsiny vao mangirandratsy, teny Ivandry, ireo jiolahy miisa efatra namany. Natolotra ny fampanoavana izy dimy mirahalahy. Notanana vonjimaika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy izy ireo.
Tsiferana R.




