« Salon Voatra » : Fiaraha-miasan’i Mada­gasikara sy i Maroc

Hotanterahina ny 1 sy 17 avrily ho avy izao, eny amin’ny Novotel Alarobia, ny “Salon de la créativité Voatra” andiany faha-12. Hetsika hanandratana ny vokatra sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy. Vahiny manokana amin’ity andiany ity i Maroc, noho izy firenena matanjaka sy manana stratejia ary maodely ara-toekarena mifanaraka amin’ny filàn’i Madaga­si­kara. Manana ny fahaiza-manao indostrialy sy ara-teknolojia i Maroc. Tombony ho antsika kosa ny fananana loharanon-karena sy olona maro ka hahafahana manokatra fiaraha-miasa sy fifanakalozana ara-barotra. Manampy amin’ ny fahafaha-mampiasa vola eto amintsika ny sehatry ny niomerika, BPO, ny fanodinam-bokatra ary ny lamba ka mampivelatra ny famokarana “Made in Africa” eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Vina iraisan’i Madagasikara sy i Maroc ny hampahafantatra ny vokatra malagasy, ny lamba, ary ny lohamenaka izay sehatra stratejika hanamafisana ny fifaninanana eo amin’ny tsena sy ny famokarana. Hifanakalo traikefa sy fahaiza-manao mandritra ny roa andro hanaovana ny hetsika ireo mpandraharaha. Tsiahivina fa lohahevitry ny hetsika ny “Voatra, hitrandraka ny tsena iraisam-pirenena”. Marihina fa mikarakara ny “Salon de la créativité Voatra” ny Antenimieran’ ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA).

Henintsoa

Partager sur: