TSELATRA

Zazakely iray vao teraka hitan’ny fokonolonanisy nametraka teo amoron-dalana tany Avaratsena Mahitsy, omaly maraina. Mbola velona soa aman-tsara ilay zaza ary mbola salama ihany koa. Notazomina sy nokarakaraina ao amin’ny fikambanan-dry masera iray eny an-toerana ilay zaza taorian’izay. Efa mitohy ny fikarohana ny ray aman-dreniny ataon’ny tomponandraikitra.
Lehilahy iray nisoloky ho mpiasan’ny Jirama, voa­sambotry ny zandary tetsy Itaosy omaly atoandro. Ni­ditra tao amin’ny tokantranon’olona iray ity lehilahy ity. Nilaza ho mpiasan’ny Jirama ny tenany ary nesoriny nandritra ny fidirany tao amin’io trano io ny kaontera. Niantso zandary ny tompon-trano ka voasambotra teo am-panatanterahana ny asa ratsiny izy.
Notafihin’ny dahalo miisa 20 indray ny tanànan’i Mahatsinjo Mampikony, kaominina ambanivohitra Mam­pikony II, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy, lefona ary sabatra ireo olon-dratsy tamin’izany. Fokonolona miisa efatra no naratra mafy vokatry ny fifandonana. Efa nentina notsaboina any amin’ny CSB II Mahatsinjo izy ireo. Trano iray no may kilan’ ny afo, omby telo nokapain’ireo jiolahy ary tsena iray voaroba.
Naiditra vonjimaika am-ponja ireo roa lahy tratra namaky tranon’olona tany Talatamaty, Fianarantsoa, ny alarobia 11 marsa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Na­nararaotra ny tsy naha tao an-trano ny tompon-trano ireto roa lahy ka nihevitra fa tsy hisy hahatsikaritra. Tsika­ritry ny fokonolona anefa izany ka nampandrenesina ny polisy. Voasambotrsa teo am-panaovana ny asa ratsiny izy ireo.

Partager sur: