Tafakatra 3 500 Ar ny kilaon’ny ovy eny amin’ ny tsenan’Andravoahangy. Niakatra ho 6 000 Ar ihany koa ny kilaon’ny tongolobe. Misondrotra daholo amin’ ny ankapobeny ny vidin-tsakafo eto an-dRenivohitra, amin’izao faramparan’ny fotoam-pahavaratra izao. Etsy ankilany anefa, midina ny vidim-bary, izay 700 Ar hatramin’ny 1 000 Ar ny vidin’ny iray kapoaka. Izany hoe,
2 450 Ar hatramin’ny 3 500 Ar ny kilao.
Ho tapaka ny lalam-pirenena RN2, PK61+400 hatramin’ny PK 63+500, anio 17 marsa, sy ny zoma 20 marsa. Manomboka amin’ny 12 ora atoandro hatramin’ny 1 ora tolakandro ny fahatapahana, noho ny fanapoahana vato, ilaina amin’ny fanamboaran-dalana. Tsy misy ny lalam-piviliana azo handehanana mandritra ireo fotoana ireo ka mila manaraka ny toromarika omen’ny tomponandraikitra ny mpampiasa lalana.
Nanomboka ny 15 marsa teo ny fametrahana ny tetezam-by vonjimaika any amin’ny lalam-pirenena RNT20, Tanambao Manampotsy. Tanjona ny hanafainganana ny fametrahana ity tetezana vonjimaika ity ao anatin’ny fotoana fohy, entina hamerenana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana, hivezivezen’ny olona sy ny vokatra.




