Ambohimanarina : Mpanendaka nahatrarana basy kilalao

Voasambotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Ambavoahy, Ambohi­manarina, boriborintany fahenina, ny mpanendaka roa lahy, omaly. Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny anivon’ireo boriborintany sasantsasany eto an-dReni­vohitra, nanao fisafoana alina niaraka tamin’ny andrimasom-pokonolona ny polisy avy eo anivon’ny kaomisaria Ambohi­manarina. Nifanehatra tamin’ny mpanao fisafoana ny olon-dratsy roa lahy tamin’ny misasakalina. Nikasa handositra izy ireo. Mailo ny polisy sy ny vatan-dehilahy ka voasambotra avy hatrany ireo mpanao ratsy. Natao ny fisavana ka nahatrarana basy plastika sy antsy ireo roa lahy. Efa ikoizana amin’ny fanaovana fandrobana miharo herisetra ireto farany. Nentina natao fanadihadiana ireo jiolahy ireo ary hatolotra ny fampanoavana.

Tsiferana R.

Partager sur: