Ampandrana : Ankizivavy miisa sivy naolana lehilahy 47 taona

Ankizivavy miisa sivy (6 ha­tramin’ny 12 taona) no ni­haran’ny fanolanana sy fanararaotana ara-nofo nataona lehilahy lehibe iray 47 taona teny amin’ny fokontany Ampandrana. Tonga nametraka fitoriana teny anivon’ny fitsarana, omaly, araka izany, ireo ray aman-dreny maromaro monina sy mipetraka eny amin’io fokontany io. Niharan’ ny herisetra ara-nofo matetika ireo ankizivavikely ireo saingy tsy nahasahy nitantara ny zava-nanjo azy noho ny fandrahonana nataon’ilay nahavanon-doza, raha ny fanazavana nataon’ny ray aman-drenin’ireo ankizy tetsy amin’ny fitsarana Anosy. Nambaran’ ireo ray aman-dreny fa mitaiza ankizivavy maro io lehilahy io hatramin’izay. Omeny sakafo sy karakarainy ireo ankizy ta­zainy, saingy navadiny ho zavatra mamoafady izany. Miara-milalao eo an-tokotaniny avokoa ny ankizy rehetra eny amin’ny manodidina. Sa­mihafa avokoa ny fomba hisarihany izay hararaotiny. “Misy ny mody omeny ranom-boakazo (jolie jus). Tsy mahatsiaro tena intsony ilay zaza rehefa avy misotro izany. Efa eny am-pandriana vao tonga saina ary efa voaviravira tanteraka. Ankoatra izay, misy koa ny asainy misasa sy mandro ao amin’ny  douche ao an-tranony. Hidirany ao avy eo ary ao no araraotiny anaovany ny asa ratsiny », hoy ny fitantaran’ireo ankizy lasibatra.
Teo am-pampandroana ny zanany vavy ny renim-pianakaviana iray no nahatsikaritra zavatra hafahafa tamin’ny vatan’io zanany io. Nanapa-kevitra ny hitondra azy tany amin’ny dokotera izy noho izany. Fantatra, nandritra izany, fa tsy virijiny intsony ny zanany. Nisy ihany koa ny simba tanteraka ny mahavehivavy azy. Nambaran’ireo ray aman-dreny ireo fa mbola manjavozavo ihany koa ny valin’ny fizahana natao teny anivon’ny Centre Vonjy.
Mangataka ny tomponandraikitra eo anivon’ny fanjakana sy ny manampahefana ireo ray aman-dreny. Toy izany koa ny tokony hanaovana fi­savana ny tranon’io olona io. Miahiahy ny mety hisian’ny ho­ronantsary mamoafady misy ny sarin’ireo zanany ireo mpitory. Marihina fa efa nisy ankizy lasibatry ny fanolanana efa taona maro lasa. Nieritre­ritra ny ankamaroan’ny olona teny an-toerana fa endrikendrika fotsiny ihany izany.

Mino

Partager sur: