Tsy fangaraharana, fanaovana ampihimamba, gaboraraka, ady tombontsoa… Ireo no anisan’ny mahavery ny volam-panjakana eo amin’ny fitantanana vola sy fitaovana ary olona, araka ny tatitra ny taom-pitantanana 2021-2025, nataon’ny eo anivon’ny Fitsarana momba ny kaonty teny Anosy, afakomaly. Mahatratra 3 811 miliara Ar ny volam-panjakana very. Midika fahafatesana izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny fitsarana momba ny kaonty, Rakotondramihamina Jean de Dieu. Tokony ho efa nametrahana ireo fitaovana ilain’ny hopitaly toy ny “scanner” na fanaovana fitiliana, “dialyse” na fanadiovan-dra. Midika ho fahabadoan’ny zanaka malagasy koa izay. Tokony hoe efa nanatsarana ny fampianarana amin’ny fampitaovana, indrindra ny fampidirana mpampianatra. Farany, midika hanoanana. Tokony ho nahavitana tohodrano sy fanatsarana ny lakandrano manondraka tanimbary sy ny tanimboly any amin’ ny toerana mpamokatra toy ny any Alaotra sy Marovoay.
“Raha jerena, tsy ny vola no tsy misy eto Madagasikara, fa ny fitantanana no tsy mety”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny mpanao gazey taorian’ny fitsarana. Mitaky ny fandraisana andraikitra avy hatrany izany. Koa namoaka naoty izy, omaly. Manome toromarika ireo mpanara-maso ny fitantanan-draharaham-panjakana hamototra ireo tomponandraikitra vaosaringotra amin’ny fandrobana volam-panjakana. Eo koa ny hanolorana amin’ny
fitsarana ireo voaporofo ho nandray anjara tamin’izany, ary hanao tatitra amin’ny vahoaka ny vokatry ny famotorana. Farany, miantso fandraisana andraikitra haingan’ireo tomponandraikitra tandrify izy, hanovana ny rafitra sy ireo lalàna mifandraika amin’izany, mba ho tsapan’ny vahoaka malagasy fa mahomby ny fanaraha-maso sy fitsirihana ny fitantanana ny volam-panjakana.
R. Nd.




