Hafakely

 

Tena hafa raha samy hafa tokoa aloha ilay fitondram-panjakana. Tena manao ara-bakiteny! Sambany misy izany fitiliana lainga na “détecteur de mensonge” izany eto Madagasikara. Ireo ho minisitra aloha no misantatra izany. Tsy diso safidy mihitsy ilay Filoha sy ny mpiara-miasa aminy. Ireo mpanao politika malagasy manko dia rainilainga na tranon-dainga ny ankamaroany. Hafa no hanaovana taratasy fianianana. Hafa ny vitaina rehefa azo ny seza.
Enga anie ka tsy ny milina no ho mpandainga na hampandaingana! Tsy ilaozan’izay hisy hilalao izany hiarovana olona iray, mba tsy ho fihetsiketsehana teknika fotsiny. Tena hikarohana ireo olo-marina ho saro-piaro amin’ilay Madagasikara sy ny fanavaozana. Soa aloha fa misy ihany ny fitiliana sy fitsirihana eny anivon’ny fiarahamo­nina, miaraka amin’ny sampam-pitsikilovana. Toraka izany ny tombana momba ny traikefa sy ny fahaiza-manao. Mba mifamenomeno eo ny zava-drehetra.
Tsy kilalaon-jaza rahateo ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Rariny sy hitsiny raha somary lavalava tokoa ny fifantenana ny olona iray ho mpikambana ao amin’ny governemanta. Iza no maniry olon-dratsy sy jiolahy hitondra ny firenena? Mba samy te ho tantanin’olom-banona sy olona vonona. Lehibe rahateo ny fanamby ho amin’ny fametrahana lalàmpanorenana vaovao sy ny Repoblika fahadimy. Ny taninjanaka iaraha-manana, mila olona maodely sy mpitarika mahitsy.
Manjaka eny anivon’ny fiarahamonina ny fahalovana sy ny faharavana. Manao izay danin’ny kibony ny ratsy. Hany ka miiba kokoa ny onja. Mitaky mpitondra madio sy mendrika. Miasa amin-kitsimpo sy azo ametrahana fitokisana. Tsy azo ekena ny olona mavandivandy vao aty am-piaingana sy fandraisana andraikitra. Rariny sy hitsiny ilay fandalovana amin’ny milina fitiliana lainga.

r.r

Partager sur: