Zava-baovao? Na tsy ampoizina… Hanaovana fitsikilovana lainga amin’ny alalan’ny fitaovana “polygraphe” izay ho minisitra. Mihintsana avy hatrany izay miiba…
“Tsy tokony ho ela ny governemanta. Inona no mahaela azy io? Tsy izahay intsony no mifidy ny olona hanaovana fifampidinihana. Misy ny fitaovana polygraphe ampiasaina eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny mpanao gazety, teny Anosy, afakomaly, ny amin’ny fandrafetana ny governemanta vaovao. Taorian’ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty no nilazany izany.
Fitiliana lainga ny fitaovana “polygraphe”. Ao anatin’ izay dingana fisafidianana ireo ho minisitra ny fampiasana ny teknojia “polygraphe”, araka ny fanambaran’ny eo anivon’ ny Fiadidiaana ny Fanavaozana, afakomaly ihany. Ho fampitomboana fahatokisana izany. Anisan’ny mampiasa io fitaovana io i Madagasikara hitsapana ny fahamarinana sy hahazoana mamantatra ny fahatsoram-po sy ny fahamarinan’ny teny amin’ny alalan’ ny fijerena ny fihetseham-batana.
“Ny “polygraphe” no mametraka ny moralin’ny olona tsirairay”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana… Mitily ny lainga ny “polygraphe”. Ao anatin’io, tsy maintsy ho hita ny olona mpanao kolikoly sy izay mety manampy ny fitondram-panjakana, ny olona mamadika ny tolona nataon’ny tanora sy izay tsy mamadika an’izany… “Mila mpiara-miasa madio izahay”, hoy izy. Tsy madio 100%. Fa rehefa mba mahatratra 60% ny madio amin’ny fanjakana, miova i Madagasikara. Izay no somary mahaela kely ny fametrahana ny governemanta. Mety ho alatsinainy na talata any ho any vao hapetraka izay.
Mandalo amin’ny “polygraphe” avokoa ny rehetra. Tsy raisina hanao fifampidinihana amin’izay hanendrena azy ho minisitra intsony izay miiba amin’io Polygraphe io. Izay miabo ao amin’io fitaovana “polygraphe” no horaisiny sy ny Praiminisitra hanaovana fifampidinihana.
R. Nd.




