Nahitana fatin-dehilahy iray, manodidina ny 35 taona, tao renirano tetsy Andrianalefy, fokontany Androhibe, boriboritany fahadimy, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Tonga teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina nampiakatra ny faty teny an-tanety. Nijery ny zava-misy teny an-toerana ny sefo fokontany sy ny polisy miasa ao amin’ny CSP 8, Analamahitsy. Mbola hita teny aminy ny akanjo nanaovany, saingy tsy nahitana kiraro intsony ny tongony. Ankoatra izay, nahitana vola 40 000 Ariary sy sigara miisa efatra ary finday kely iray tany am-paosiny, rehefa nosavain’ireo tomponandraikitra.
Tetsy ankilany, nivonto ny masony iray, mangana ihany koa ny lohany. Nivoa-dra ny vava sy ny orony, nandritra ny fahitana ny razana. Tsy fantatra na mamo, na nisy nanendaka, na nisy namono ity lehilahy hita faty tao anaty rano ity. Efa eo am-pelantanan’ny polisy ny fanadihadihadiana mahakasika ny raharaha.
Tsy mponina eny an-toerana ity olona maty ity. Tsy misy mahafantatra azy ny manodidina. Nanambara ny mponina, tsy fahita loatra ny tranga tahaka izao eny an-toerana. Efa tamin’ny dimy taona lasa no nisy toy izao farany, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Ankoatra izay, lasa miha mirongatra ny trangana tsy fandriampahalemana eny amin’ny manodidina an’Analamahitsy sy Androhibe, ankehitriny. Anisan’izany, ny halatra moto. Vao tamin’ny herinandro, nisy olona nitondra moto, nambanan’ny jiolahy tamin’ny basy sy antsy ary norobain’izy ireo ny moto miisa roa. Manao antso amin’ny mpitandro filaminana ny mponina. Mangataka fanaraha-maso sy fandraisana fepetra mahakasika izany.
Mino




