Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tetsy By-Pass, omaly alina, tamin’ny 7 ora. Vehivavy tokony ho 30 taona, nandeha tongotra no voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana marika Toyota, « plaque rouge » ary miloko fotsy. Niseho teny akaikin’ny espace Yandy By-pass ny loza. Avy any Iavoloha, hihazo an’Ambohimanambola ilay fiara, raha ny fahitan’ny olona nanatri-maso ny zava-nitranga azy. Nandeha mafy, nandona sy nanitsaka io vehivavy nandeha tongotra tamin’ny sisiny ankavanan-dalana mifanindran-dalana taminy. Vokany, maty tsy tra-drano ilay olona noho ny hamafin’ny dona nahazo azy. Nivoa-dra ny lohany ary nandriaka nanerana ny arabe ny ra.
« Tsy nijanona, nihazo ny rond-point Ambohimanambola, Ambohimangakely sy ny manodidina ilay fiara», hoy hatrany ireo olona nanatri-maso. Nipitika niala teo amin’ny faritra nisian’ny loza ny marika sy ny lohan’ilay fiara. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana taorian’ny fiparitahan’ny vaovao haingana tao anaty tambajotra an-tserasera. Efa nisy ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro filaminana avy amin’ny zandarimaria Ambohimanambola. Tsy mbola nahazahoana vaovao izany hatramin’ny nanoratana omaly.
Mino




