FANTINA sy FINTINA

Hivoaka sy hampahafantarina anio alatsi­nainy na rahampitso talata ireo minisitra, ho mpikambana eo anivon’ny governemantan’ny Praimini­sitra, Rajaona­rison Mamitiana.
Natsidiky ny filoham-panjakana ny herinandro teo izany tetsy Anosy, tamin’ny fiatrehany ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty.
Nijoro ireo manamboninahitra lefitra (Coso­fam) noho ny fanahiana korontana sy fifofoana aina eto amin’ny firenena. Nambaran’ny adjudant Zafinan­drianatrehana fa miditra amin’ny kihon-dalana ny fire­nena ary nanampy ny mpitondra am-perinasa izy ireo.
« Misy ireo namana tsy maty voalavo an-kibo ka tsy azo ekena izany », hoy izy.
Anisan’ny nitolona voalohany tamin’ny raharaham-pirenena, ny lehiben’ny faritra Sofia, Djaosera Irénée, araka ny nambarany tao Mandritsara, ny sabotsy teo. Nanatanteraka ny fanomezan-kasina ny raiaman­dreny izy tamin’izany. Nohitsiny fa nigadra noho izany tolona nataony izany ny tenany. « Ny sasany nilaza fa nitolona kanefa tsy nigadra…”, hoy izy.
Nosokafana amin’ny fomba ofisialy ny faha­tsiarovana ireo maherifo nitolona sy lavo tamin’ny raharaha 1947. Natao tany Manakara ny zoma teo izany. Nitarika izany tany an-toerana ny mpanolotsaina avon’ny Fanavoazana, ny Kly Andriamiarisoa Gervais. Nambarany fa fanaovan-tsoa amin’ny mpiara-belona ny tena fitiavana ny tanindrazana.

Partager sur: