VAOVAO TAMBATRA

Natsahatra vonjimaika ny asan’ilay orinasa mpitrandraka vato fanorenana trano eny Ambohima­laza. Voamarina nandritra ny fanadihadiana sy fidinana ifotony notanterahin’ny One sy ny Medd ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny fa mivarina mivantana any an-drenirano ka mandoto ny rano manodidina ny rano avoakan’ity orinasa ity. Nodidina hanamboatra ny fotodrafitrasa misy fahasimbana ny orinasa ary aorian’izay vao ho afaka hiverina hanohy ny asany indray.

Tonga ny zoma 20 marsa teny Ivato, ny andiany faharoa amin’ireo milina vaovao mpihary herinaratra na «Groupe électrogène» (GE) miisa 9, hoenti-mana­tsara ny famatsiana herinaratra any Befandriana Avaratra, Ampanefena, Maintirano, Ambovombe, Belo sur Tsiribihina (hahazo roa), Brickaville ary Sakaraha. Hanoloana ireo milina efa antitra loatra ka simba matetika ary mandany be amin’ny solika ireto milina vaovao ireto.

Efa niroso amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra nasionaly ho an’ny fanovana ny rafitra ara-tsakafo (2022-2030) i Madagasikara. Mametraka ny tantsaha ho ivon’ny fampandrosoana ny firenena ity drafitra ity. Nisy ny fifampizarana ireo vahaolana azo ampiharina hanamafisana ny fanatanterahana ny tondrozotra nasionaly sy ny fandraisan’ireo tantsaha mpamokatra ny andraikitra tandrifin’izy ireo nanditra ny atrikasa natao teto Antananarivo ny 18 marsa lasa teo.

Partager sur: