Tanterahina eny Ankatso ny fakan-kevitra ataon’ny Banky foiben’i Madagasikara, miaraka amin’ny mpianatra, mpampianatra ary mpikaroka momba ny fanovana ny rafitry ny vola. Hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola nitohy ny adihevitra niarahana tamin’ireo mpisehatra samihafa. Tsiahivina fa tetikasan’ny BFM ny hanafoana ny vola taratasy manomboka amin’ny 2 000 ka hatramin’ny 20 000Ar ka hitovy sanda amin’ity farany ilay 1 000Ar, vola ambony indrindra hanomezan-danja ny Ariary.
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pizahantany 2026 ao Nosy Be ny fahatongavan’ny sidina voalohany tao amin’ny seranam-piaramanidina Fascène, ny herinandro teo. Mpizahatany miisa 350 no nentin’ny kaompania Neos, izy ireo izay hijery ny hakanton’ny Nosy Be sy ireo karazan-javamananaina mampiavaka ny ao an-toerana. Marihina fa mijanona ho faritra mahasarika mpizahatany betsaka i Nosy Be. Sidina voalohany hanokatra ny fahatongavan’ireo teratany vahiny eto Madagasikara ny nataon’ny kaompania Neos.
Hanatsara ny fifandraisana eo amin’ireo faritra ny sambo paositra, fitaovana vaovaon’ny Paositra malagasy. Manamafy ny vina apetraky ny Paositra malagasy ity fitaovana vaovao ity, hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra sy manakaiky hatrany ny Malagasy. Notokanana sy napetraka ao Nosy Be, ny faran’ny herinandro teo, ity fitaovam-pitaterana vaovao ity.




