Antenimierampirenena : Neken’ny HCC ny fanesorana ireo depiote dimy

Nilatsaka omaly ny fanapahan-kevitry ny HCC nankato ny fanesorana ireo depiote voafidy amin’ny anaran’ny vovonana Irmar sy ny avy amin’ny tsy miankina. Efa voasolo avy hatrany ny toeran’izy dimy mianadahy ireo.

Anisan’izany ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’i Mitsinjo, Ahmad Ahmad. Lany tamin’ny alalan’ny mahaleo tena. Tsy depioten’ny distri­kan’i Mahajanga I intsony, Rahantanirina Lalao. Eo koa ny solombavambahoakan’ny distrikan’i Toliara I, Tinoka Roberto. Manampy azy ireo ny depiote voafidy tany amin’ny distrikan’Antsiranana I, Rahelihanta Jocelyne ary ny solombavambahoaka avy any amin’ny distrikan’Analalava, Soafilira Princia.
Niainga amin’ny fitsipika anatin’ny Antenimieram­pire­nena izany, araka ny taratasy nalefan’ny filohan’ity Andrim­panjakana ity teny amin’ny HCC, ny 7 janoary lasa teo. Voalaza ho anisan’ny antony nanesorana azy ireo ny tsy fahatongavany niatrika ny fivoriana sy ny tsy nanaovana filazana mialoha ny tsy fahafahana.
Navoakan’ny HCC avy hatrany ny hisolo ny toeran’izy ireo eny Tsimbazaza. Ho an’ny ao Antsiranana I, Syl­vain Claude Emile. Ny ao Mahajanga I kosa, Heriniaina Tia Solofomanga. Ho an’ny any Toliary I indray, Maha­ran­te Jean de Dieu. Ny any Ana­lalava, Mananko Jerome ary ho an’ny any Mitsinjo i Mena Honaisiford Edwin.

Depiote tsy hita popoka…
Tsiahivina fa voatondron’ny lalàna ny fahafahan’ireo depiote miaro tena amin’ny tranga tahaka izao, rehefa nomena fe-potoana. Tokony ho nijoro sy nanampy azy ireo ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena fahafito sady lehiben’ny mpanohitra eny Tsimbazaza, Milavonjy Philobert. Nambarany fony vao niakatra teny amin’ny HCC ny raharaha fa antony tsy nahatongavan’ireo depiote nivory ny tahotra noho ny fandrahonana nihatra amin’izy ireo. Araka izany, efa voasolo avy hatrany toeran’ireo depiote miisa dimy ireo. Mbola tsy hita popoka kosa ny hafa hatramin’izao, ankoatra ireo efa lasa any ivelany.

Synèse R.

Partager sur: