Fampandrosoana : Ambany ny sandam-bola malagasy

Marefo ny vola eto amintsika raha oharina amin’ny firenena manodidina. Nivoitra izany nandritra ny fakan-kevitra nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) momba ny fanovana ny rafitry ny vola, teny Ankatso, ny alatsinainy teo.

“Vary milanja 6 kilao no azon’ny vola 20 000 Ar eto Madagasi­kara”, hoy ny talen’ny antotanisan’ny BFM, Razafima­nantena Tiaray. Atsy Maorisy, mampiasa ny Roupie, mahazo gonim-bary miisa 8 (milanja 50 kg) ny vola 20 000 raha mahazo gonim-bary miisa 20 any Afrika Atsimo any, ahazoana gonim-bary 133 amin’ny 50 kg izany. Misondrotra ny vidin-javatra eto Madagasi­kara, mahatonga ny vola malagasy mitotongana. Nivoaka ny taona 2017 ny vola 20 000Ar. Nambarany koa fa mihena hatrany amin’ny 50% ny fahafaha-mividy ny vola raha tafakatra 10% ny vidim-piainana. Araka ny tatitry ny Instat, manodidina ny 7,2% ny fisondrotry ny vidim-piainana eto Madagasikara. Nihena izany raha oharina ny tamin’ny teo aloha. Voalaza nandritra ny dinika nataon’ny BFM niaraka tamin’ny mpianatra, mpampianatra, mpikaroka ary mpisehatra samihafa, ny alatasinainy teo, fa mihen-danja ny vola matoa mivoaka ny vola lehibe toy ny 20 000Ar, izay tsy mahazo ny entana vidiany tamin’ny sandany teo aloha intsony. Mampiasa ny 20 000 Ar ny 70% ny mpampiasa vola eto amintsika. Tafakatra 71,82% ny fivezivezen’ity vola ity ny taona 2025, raha toa ka 69,82% izany ny taona 2024.
Ankilany, miisa 19 ny karazam-bola eto amintsika, valo amin’ireo no taratasy, vola vy kosa ny 11. “Efa tsy mampiasa ny antsasa-manilan’ny vola eto Madagasikara ny mponina”, hoy ny governoran’ny BFM, Andrianarivelo Aivo. Manomboka amin’ny 500Ar ny lelavola tena miasa, na ny mpangataka aza efa tsy mandray vola 100 Ar intsony.

Safidy telo
Anatin’ny dinika fakan-kevitra ity natao teny Ankatso ity. Sosokevitra voalohany ny fizarana 20 ny sorabola ankehitriny. Faharoa, ny fanesorana ny aotra roa, izany hoe, lasa 2 00 Ar ny 20 000 Ar. Ity no heverina ho mora amin’ny kajy ary azo ampiana vola 500 sy 1 000 izay mitovy amin’ny 50 000 sy 100 000 Ar amin’izao fotoana. Safidy fahatelo, tsy manova rafitra fa manampy lelavola vaovao 50 000 sy 100 000Ar. Mbola mitohy ny fakan-kevitra amin’ny sokajin’olona samihafa.

Henintsoa

Partager sur: