Namaly tamin-katezerana ny horonantsary navoakan’ny Kly Rakotomamonjy Patrick ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. Notakiny ny hampitsaharana ny fanenjehana an’i Koufali Daya sy ny tenany ary koa ny minisitra teo aloha, Fanirisoa Ernaivo. « Namatsy ny vola nanonganana an-dRajoelina io tanora io ary avelao izy hiasa malalaka », hoy izy.
Nivoaka amin’ny fahanginany ny Tim, amin’ny alalan’ny sekretera jeneraly, Randriamasinoro Tahiry Ny Riana. Nambarany fa tokony ho olon’io antoko io no hapetraka PDS eto an-dRenivohitra. « Rariny izany sady ho fanajana ny mpifidy eto Antananarivo. Manana mpifidy be indrindra izahay eto », hoy izy.
Nametraka fitoriana hanokafana fanadihadiana eny amin’ny Pac ny tambaben’ny mpitolona (Psom), omaly. Anton’izany ny fiparitahan’ny horonantsary mamofompofona kolikoly avo lenta nataon’ny tomponandraiki-panjakana, araka ny nambaran’izy ireo. « Tsy misy tohiny avokoa ireo ampamoaka nataon-dRazaivola Raissa », hoy izy ireo.
Tsy tokony hisalasalana intsony ny handravana ny HCC, araka ny nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny sendika SSM, Andriamitsara Tarzan. Nohitsiny fa sarotra ny mbola hatoky ity Andrimpanjakana ity amin’izao fotoana izao, manoloana ireo toe-draharaha samihafa mifamahofaho eto amin’ny firenena.




