Menabe: Rano fisotro madio ho an’olona 2 000

Nametrahana paompy miisa 4, siniben-drano manana hadiry 5m³ any amin’ny kaominina Andranomainty, fokontany Bermia, faritra Menabe, ny herinandro teo. Manodidina ny 600 ny mponina misitraka azy. Mandeha amin’ny herin’ny masoandro ity fotodrafitrasa ity, tambajotra fizarana rano amin’ny paompy. Manodidina ny 750 ny olona misitraka azy any amin’ny kaominina Andranofotsy. Na­hazo paompy miisa 6 ny fokontany Soatanana Morlot, kaominina Isalo. Tanjona ny hisitrahan’ireo mponina manodidina ny 1 260 rano fisotro madio. Vahaolana maharitra hanatsarana ny famatsiana rano fisotro madio, ilaina amin’ny fahasalamana sy ny fampandrosoana eny ifotony. Tetikasa azo vokatry ny fiaraha-miasa ny minisiteran’ny Rano (MEAH) sy ny fikambanana Helvetas.
Ankoatra izay, nahazo trano fidiovana, fivoahana, toerana fanasana tanana koa ny mpianatra manana fahasembanana, ny EPP sy ny CEG ao Andrefanigara, faritra Bongolava. Hetsika tafiditra ao anatin’ny tetikasa Tsirorano, hiarahan’ny fanjakana miasa amin’ny Jirama, ny kaominina ary ny WaterAid Madagascar.

Henintsoa

Partager sur: