Sinto-mahery eny Ambodin’Isotry : Vehivavy iray nosamborin’ny polisy

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny vehivavy iray mpanao sinto-mahery eny amin’ny Cité Ambodin’Isotry, afakomaly maraina. Hamonjy toeram-piasana, vehivavy iray saika lasibatr’ireo mpanao ratsy. Narahin’ny vehivavy mpanao sinto-mahery io olon-tsotra io. Niditra lalankely izy kanjo nosintomin’ilay tontakely ny firavaka teny an-kodiny. Niezaka niaro ny tenany sady niantso vonjy tamin’ny mponina manodidina io vehivavy lasibatra io. Niray hina ny fokonolona teny amin’ny manodidina. Nifanenjehana ilay vehivavy nanao ny fanendahana nandritra io fotoana io. Tratra teny an-toerana ity farany. Niantso ny manam-pahefana ireo nahasambotra azy ka nentina nihazo ny biraon’ny polisy natao famotorana ilay vehivavy. Naverina tamin’ny tompony ny firavaka nangalariny. Nana­mafy ny polisim-pirenena fa miandahy miambavy amin’izao fotoana ny fanendahana. Mila mailo hatrany ny tsirairay.

Tsiferana R.

Partager sur: